Fifanakalozana ara-barotra : Hiara-miasa ny orinasa malagasy sy tonizianina

Vita sonia ny alatsinainy teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Tunisie sy Madagasikara, tamin’ny alalan’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra Tonizia Madagasikara (CCTM), Ben Romdhane Mohamed Lhabib, sy ny Tale jeneralin’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), Rafidy Josielle.

Tanjona ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny roa tonta. Mifanindry an-dalana amin’ny hetsika ara-toekarena “Mission économique Tunisie Madagascar” hatao eto amintsika, afaka herinandro vitsy, ity dingana stratejika ity. Araka izany, hifantoka betsaka amin’ny fampiasam-bola amina sehatra marolafy ny fifanarahana mba hanamorana ny fiaraha-miasan’ny orinasa malagasy sy tonizianina. Ankilany, nisanda 2,39 tapitrisa dolara ny fanondranan’i Madagasikara mankany To­nizia, araka ny tarehimariky ny Banky iraisam-pirenena sy ny Trade Map. Manaporofo izany ny fitomboan’ny vokatra aondrantsika any an-toerana izay tafakatra 150%, teo anelanelan’ny taona 2020-2024. Etsy andaniny, mitotaly 12,09 tapitrisa dolara ny entana nafarantsika tany Tonizia, ahitana ireo tariby sy kojakoja samihafa, sakafo ary fitaovana indostrialy.

Loharanon-karena
Na eo aza izany, mbola ambany ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta, mbola latsaky ny 0,3% amin’ny varotra ivelany izany. Porofo izany fa mbola betsaka ny sehatra azo trandrahina ho an’ny tombontsoan’ny firenena roa tonta.
Etsy ankilany, mifameno ny toeķaren’ny roa tonta. Izy ireo, malaza amin’ny fahaiza-manao amin’ny indostria mekanika sy elektrika, ny toekarena niomerika ary ny indostria ara-tsakafo, raha toa ka tombony ho antsika ny fahafaha-manodim-bokatra, ny fananantsika ireo loharanon-karena samihafa isam-paritra. Noho izany, kendren’ny EDBM ny hanangana rafitra ara-toekarena sy fampiasam-bola maharitra ao anatin’izao fiaraha-miasa izao.

Henintsoa

Partager sur: