SNFI-DD : Paikady hitondra fampandrosoana maharitra

Apetraka ny Paikady nasionaly ho famatsiam-bola hisian’ny fampandrosoana maharitra (SNFI-DD). Karohina ny loharanom-bola rehetra hanatanterahana ny laharam-pahamehana eto an-toerana sy ny tanjon’ny ONU.

Natao omaly, ny atrikasa mifantoka amin’ny handrafetana ny Paikady nasionaly ho famatsiam-bola hisian’ny fampandrosoana ma­haritra (SNFI-DD). Miahy azy ny minisiteran’ny Toeka­rena sy ny fitantanambola miaraka amin’ny Rafitry ny Firenena mikambana (SNU). Tanjona ny hamoriana ny loharanom-bola rehetra avy amin’ny rafi-panjakana sy ny tsy miankina, hanatanterahana ny laharam-pahamehana eto amin’ny firenena sy ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD), napetraky ny ONU.
Notsipihin’ny mpandrindra ny SNU miasa eto Madaga­sikara, i Anthony Ngororano, fa miankina amin’ny singa telo ny hampahomby ny SNFI-DD. Ny fifampitokisan’ny rafitra samihafa sy ny fitantanana ara-toekarena mahomby. Ny firindran’ny politikan’ny fanjakana, ny mpampiasa vola, ny laharam-pahamehana amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny fiaraha-miombon’antoky ny fanjakana, ny tsy miankina ary ny fiarahamonimpirenena.
Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola, Razafindrakoto Iouri Garisse, fa « mifototra amin’ny vina tsotra nefa mazava tsara rafitra ny SNFI-DD. Tanjona ny hamatsiam-bola ireo paikady hita fa mitondra fampandrosoana maharitra, azo tanterahina ary azo tsapain-tanana ».

Vahaolana maharitra
Anisan’ny sakana eto Ma­dagasikara ny hakelin’ny tahan’ny fampidiran-ketra, kely, latsaky ny 10%, satria bahanan’ny fihariana tsy ara-dalàna. Vitsy ny orinasa afaka mindram-bola, mampihena ny fam­piasam-bola sady kely ny asa miforona. Manoloana ireo, vahaolana azo tanterahina ho an’ny mpisehatra rehetra ny SNFI-DD, hampifandrifiana amin’ny laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana ma­haritra. Misahana ny lafiny teknika sy ara-bola amin’ny famolavolana azy ny Pnud, miaraka amin’ny Unicef sy ny UNCDF.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: