Hanofana ny tanora hahay hampiasa ny niomerika sy ny faharanitantsaina artifisialy (IA) mba hampiasany izany amin’ny sehatry ny fampianarana sy eo amin’ny ny tontolon’ny asa. Io ny tanjona apetraky ny fandaharanasa Tanora Now, ataon’ny Yas Madagascar sy ny ONG Idea Academy eny anivon’ireo Oniversite manerana ny Nosy. Kendrena manokana ny hampitovy ny fahaiza-manaon’ny tanora rehetra sy hampiroborobo ny fampiasana ny teknolojia niomerika izay tsy afa-misaraka amintsika amin’izao fotoana. « Hanampy ny tanora hampivelatra ny talentany ny fahaiza-mikirakira ny niomerika mba hahafahany mivoatra amin’ny fianarana rantoviny. Indrindra koa ny hahafahany miatrika ny tontolon’ny asa ny tetikasa», hoy ny tale mpanatanteraka ny ONG Idea Academy, Randriambololotiana Hasina, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny fandaharanasa teny Andraharo. Maharitra telo herinandro ny fiofanana arahina. Ny taona 2025, tanora 500 avy amin’ny Oniversiten’i Toliara, Fianarantsoa, Antsiranana ary Antananarivo no efa nisitraka ny tombontsoa. Tanjona, araka izany, ny hanitarana ny tetikasa any amin’ny Oniversiten’i Toamasina sy Mahajanga ary any amin’ny faritra hafa.
Henintsoa




