Miarakap Challenge Entreprises: Fifaninanana ho an’ireo orinasa mpandray anjara

Mikarakara fifaninanana antsoina hoe Miarakap Chal­len­ge Entreprises, natokana ho an’ireo orinasa mpandray anjara amin’ny Ultra trail des Ô Plateaux (Utop), andiany faha-17, izay atao ny 1 ka ha­tramin’ny 3 mey, ny Miarakap. Tanjona ny hanentanana ny orinasa hiara-mientana sy ha­nohana ny “trail” ho an’ity andiany ity. “Hisy, araka izany, ny loka ho an’ireo orinasa misongadina sy manohana ireo mpifaninana amin’ny Utop”, hoy ny mpikarakara. Hisitraka amboara ireo ekipa miavaka izay ho sokajiana telo dia ny TPE, PME ary ireo orinasa lehibe. Mbola hisy loka manokana ihany koa homena ny ekipa mahay miara-miasa.

Firaisankina

Hasongadina ireo ekipa tena mavitrika ao anatin’ny fifaninanana, raha ny fanazavana hatrany. Fanamby ny hizara sy hampahafantatra ireo soa fanararaotra ho an’ny orinasa ao anatin’ny hetsika. Toy ny hanamafisana ny firaisankinan’ny ekipa mandritra ny fanomanana atao, ny fampahafantarana ny orinasa mandritra ireo hetsika ara-panatanjahantena ary ny fanitarana ny tambajotram-pifandraisana. “Ambohipihaonan’ ireo mpandray anjara sy sehatra hifanakalozan’izy ireo ny Village Sponsor”, hoy hatrany ny mpikarakara. Misokatra ho an’ireo orinasa liana rehetra, araka izany, ny Miarakap Challenge Entreprises. Misy ny tolotra ho an’ny fisoratana anarana iombonana izay azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny Utop. Marihina fa hifarana ny 22 marsa ny fisoratana anarana ho an’ity fifaninanana natokana ho an’ny orinasa ity.

Henintsoa

Partager sur: