Mitonia, milaminà !

 

Mahavelombolo, sady hivoaka anio no « tsaratsara » izy ao! Raha ny vaovao niely hatry ny omaly, mahakasika ny governemanta vaovao. Tsy miolonolona amin’ny ankolafin-kery iray intsony fa misokatra ho an’ny Malagasy tia tanindrazana sy vonona rehetra. Ny sasany aza efa midehadehaka amin’ny tambajotran-tserasera ao. Mifampiarahaba sy mirary soa sahady. Mandihy tsy afa-tavony.
Midika izany fa efa vita ny lisitra farany? Asa anefa aloha satria mety hisy ny fiovana amin’ny ora farany. Maromaro sahady ny malahelo sy diso fanantenana. Nisy manko ny olona efa voaantso hiatrika ny adina amin’ilay masinina mitily lainga no nilazana indray fa foana izany. Misy ny efa nalaina am-bavany fa tsy nohamafisina ny fanendrena azy. Samy mangotsokotsoka eo, miandry izay hivoaka anio.
Politika no atao, tsy mahagaga ny fanilihana namana. Misy ny tsindry sy karazana fenitra takina amin’ny isam-batan’olona. Tsy ao anaty fitondrana koa anie vao afaka manohana? Raha eo ny finiavana, inona ny sakana tsy hitondrana izay anjara biriky. Tsy natao hamono fitiavana ny mpiray tanindrazana ny tsy fahazoan-tseza. Tokony ho fanoitra hijoroana sy ho fanaovana ezaka misimisy kokoa aza izany.
Mila tony sy milamina ny zava-drehetra. Tsy azo atao ny entim-po na misy loranjy, na mangamanga aza anaty governemanta. Mendrika mpitondra mahay mamela heloka sy mahay miara-monina amin’ny ankolafin-kery rehetra i Madagasikara.

r.r

Partager sur: