Hatreto, toa mbola fitaovana ny tanora sy ireo nitokona nametraka ny fitondrana. Tsy hita izay mba anjara toerana lehibe ho azy ireny. Mpanolotsaina maivamaivana eny no sahaza ho azy ireny. Natokana ho an’ny akama sy havana ary mpiray antoko ny anjara mofomamy lehibe. Manararaotra toa banga mihomehy alina ny nampindramim-pahefana sasany.
Tsy mampaninona anefa izany raha hita fa mahafeno fepetra izy ireny. Tanjona iray, ny mba hirosoana miaraka anatin’ny fitovizan’ny tadin-dokanga. Sorohina mialoha ny volo mpanoha-randrana sy ny fandoto iray tandroka. Mila ekipa manana fotopisainana mitovy, tsy anjakan’ny ankamely am-pitaka rahateo ny vanim-potoana. Asa sy vokatra, anatin’ny firenena milamina, no tanjona.
Zava-dehibe tsy maintsy iarahana mijery ny zava-misy ato anatiny sy ny asa mifanaraka amin’izany. Ny resaka diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, efa iaraha-mahita ny firoboroboany. Mandeha sy mizotra araka ny tokony ho izy ny pitsompitsony. Efa malalaka ny lalana ho an’i Madagasikara. Efa misinda tsikelikely ny fanasaziana. Efa hita taratra ny fivelarana amin’ny ankolafin-kery hafa.
Andrasana ny fandehanan’ny asa sy ny fivoaran’ny raharaham-pirenena ary ny asa fanomanana ny fifidianana. Izay hitantana ny firenena anatin’ny fanavaozana tena izy, mahavita hatramin’ny farany ny fitakian’ny vahoaka no ilaina. Iaraha-mahita fa ao anatin’ny fanomanana avokoa ny antoko lehibe. Efa samy manetsiketsika ny ekipa eny ifotony.
Zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fahafahana mijoro araka ny tokony ho izy ao anatin’ny filaminana sy ny asa fampandrosoana fohy sy antonon’ezaka. Tsy maintsy mandeha ny zava-drehetra mba hahafahana manatratra ilay fe-potoana voafaritry ny tondrozotra. Efa nanaiky izay ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy maintsy mandefitra ny tsy nahazo seza.
r.r




