Ny ekipa nisy an’i Dylan Rocher sy i Robineau ary i Rizzi no nibata ny amboara tamin’ny « Passion pétanque Française (PPF 2026). Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 10, ny ekipan’ Andriantseheno Christian (Racl). Lalao natao ny alahady lasa teo, tao Douaisis France. Hotanterahina etsy amin’ny […]
Mois : mars 2026
Ankizy milalao : Ekipa 106 tonga nandray anjara
Notanterahina teny amin’ny Kianja Betongolo, ny 7 sy ny 8 marsa teo ny fifaninanana ho an’ny ankizy, « Ankizy milalao» andiany faharoa, izay karakarain’ny Analakely Football Academy (Afa). Nilaza ny mpikarakara fa nahomby ny hetsika, nahatratra 106 ny ekipa tonga nandray anjara tamin’izany, izay nozaraina tamin’ny sokajy U7, misy ekipa […]
“Pureplay Football League” : Voasazy noho ny adin’ny FMF sy ny mpitsara ny klioba ao Boeny
Tsy afaka hijery sy hankafy baolina kitra divizionina voalohany nasionaly ny mponina ao Mahajanga raha tsy milamina ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sy ny federasionina. Lasa resy tsy miady ireo klioba any an-toerana, efa niharan’izany ny Tsaramandroso FC. Noho ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sasany, any Mahajanga, sy […]
Fandaharanasa Fanavaozana : Dingana telo lehibe no hatao
Fikaonandoham-pirenena, fanavaozana ny rafi-pifidianana, fandrafetana lalàmpanorenana vaovao harahin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ireo ny dingana telo lehiben’ny tetiandron’ny fandaharanasan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Fanomanana sy fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena momba ny fitantanana fifidianana sy ny rafitra iorenan’ny Repoblika ny marsa-desambra 2026. Ao anatin’izany ny fakan-kevitra isan’ambaratonga. Hanovana ny rafi-pitantanana ny fifidianana ny jona-novambra […]
INDRAY MIJERY
Dr Ravelomanantsoa Santatra, lehiben’ny sampana fikarohana ara-pambolena ao amin’ny Fofifa, no nandrombaka ny lokan’ny “Fondation Farm 2026” natolotra tao Paris, ny 17 febroary teo. Mpikaroka mpampianatra momba ny fahasalaman’ny zava-maniry sy ny kalitaon’ny vokatra aorian’ny fijinjana izy. Ny voka-pikarohana nataony no nahafahana nampihena ny fiparitahan’ny bakteria manimba ny voly ovy… […]




