Voafidy indray ho filohan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem) Rabarijohn Francis taorian’ny fivoriambe natao ny 19 marsa lasa teo. Manohy hatrany ny fanatsarana efa natomboka ny sehatra tsy miankina, sady mampiseho finiavana hitazona ny fitoniana eo amin’ny tontolon’ny toekarena malagasy. Manamafy ny filohan’ny Gem izay hitantana indray mandritra ny […]
Mois : mars 2026
« Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala » : Loharanon’ny toekarena ny ala
Loharanom-bola mivantana ny ala. Mitondra voka-dratsy goavana ny fahasimbany, miantraika any amin’ny tany, ny rano, ny toetr’andro, ka ilaina ny fiarovana azy. Nankalazaina ny 19 marsa teo ny « Andro Iraisam-pirenena ho an’ny ala », teny amin’ny foibe SNGF Ambatobe. Nanotrona teny an-toerana avokoa ny fianakaviamben’ny ala sy ny tontolo iainana. Lohahevitra […]
Fahasalamana : Novatsiana fitaovana ny Cousp nasionaly
Noho ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Africa CDC, nahazo fitaovana maoderina sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Cousp nasionaly na ny ivontoerana mandrindra ny hamehana eo amin’ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’izany ny fitaovana informatika, rafitra fanaraha-maso avo lenta, fitaovam-pifandraisana ary kojakoja ilaina hiatrehana haingana ireo tranga maika. Ny fananganana sy fanamafisana ny Cousp […]
Hetsi-pahatsiarovana ny 29 mars 1947: Hamelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana
Nosokafana omaly, teny amin’ny Zaridaina Anosy, ny hetsi-pahatsiarovana ny faha-79 taona ny tolom-panafahana 29 marsa 1947. Nitarika ny lanonana teny an-toerana ny tale mpiahy ny mpiady tia tanindrazana sady mpitarika ny komity teknika mpanomana ny hetsika, notarihin’ny Jly Randrianantenaina Emilson. « Tanjona amin’ity hetsi-pahatsiarovana ity ny hamelona indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana […]
Orange solidarité : Vehivavy 109 nahazo mari-piofanana
10 taona ny hetsika fanohanana ny fizakan-tenan’ny vehivavy miaraka amin’ny orinasa Orange, amin’ny alalan’ny fikambanana Orange solidarité Madagascar. Maro ny fandaharanasa mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy sy ny zatovovavy ahafahany mivelatra ara-toekarena sy ara-tsosialy. Nisy ny famoahana ireo vehivavy manana fahasembanana nahavita fiofanana teny anivon’ny Maisons digitale d’Analamanga, eny […]




