Famatsian-jiro : Manana vokatra ambiny, mihoatra ny 20 MW, ny Jirama

Nitondra fanazavana, omaly, ny tomponandraikitry ny Jirama. Ampy tsara ny herinaratra ao amin’ny Tamba­jotra iraisan’Antananarivo (RIA). Manana vokatra ambiny mihoatra ny 20 MW ny orinasal. Antony hafa no mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra, ankehitriny. Antitra ny fotodrafitrasa toy ny vata mpanova herinaratra, izay mizaka hatramin’ny 150% ny vesatra tokony hoentiny.
Vahaolana ny tohana omen’ny Banky iraisam-pirenena. Hisy vata mpanova herinaratra maherin’ny 50 ho avy any Toamasina. Feno hi­poka ny zotra mitatitra herinaratra, toy ny zana-toby eny Anosizato, mitatitra hatrany Soavinandriana Itasy, mirefy 200 km. Toraka izany ny zotra TNNO, miainga eny Antanan­drano hatrany Mahitsy sy Andranovelona, mirefy 199 km. Mirefy 177 km ny zotra Ambohimanambola hatrany Ambatolaona Mantasoa.
Manampy ireo ny andro ratsy, vokatry ny orana, ny ko­troka, rivo-mahery. Antony mahatonga ny fahatapahan-jiro matetika. Misy koa ny ankasomparana, noho ny halatra tariby, ny andrin-jiro antitra na ny voadonan’ny fiara, sns.
Mahakasika ny famatsian-drano, tsy ampy 100 000 m3 isan’andro ny eto Antanana­rivo noho ny fitombon’ny isan’ ny mponina. Vahaolana ny fi­ta­terana rano amin’ny fiarabe, ny fanoloana ny fantson-drano antitra sy vaky, ny fanoloana ny kaonteran-drano. Hitarina ny famokarana eny Mandro­seza, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena.

Njaka A.

Partager sur: