Manohy ny fifampidinihana amin’ny vahoaka momba ny fanavaozana ny vola Ariary ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisy ny fihaonana natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny talata teo, taorian’ilay efa natao teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 23 marsa. Tanjona ny hanangona ny hevitry ny mpampiasa vola mba handrafetana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy ara-toekarena.
Nanazava ny governoran’ny BFM, Aivo Andrianarivelo, fa
« manontany ny hevitry ny vahoaka izahay momba ireo vola mora ampiasaina indrindra isan’andro, vola taratasy na vola madinika ». Hojerena amin’ izany ny endrika sy ny sandam-bola vaovao. Nohamafisiny anefa fa « tsy mikendry na hanova ny tahan’ny fifanakalozan’ny Ariary ity tetikasa ity, na hiady mivantana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ». Anisan’ny safidy ny famoahana vola taratasy vaovao, ny fanoloana vola madinika ho lasa vola vy, ary ny famoronana sandam-bola ambony kokoa. Eo koa ny mety hanesorana aotra hanamorana kajy.
Miahiahy anefa ny mpanondrana entana. « Very teo amin’ ny 8% eo ho eo amin’ny tombony azony ny mpanodrana jirofo ny taona lasa teo », hoy ny filohan’ ny mpanondrana jirofo (GEGM), Dama Jean Luc. « Tsy maintsy mampitombo ny famokarana isika mba hahazaka ny fifaninanana », hoy kosa ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Rasamimanana Tiana.
Raha ny marina, misy fiantraikany amin’ny sehatra maro ny tanjaky ny Ariary. Mety hihena, araka izany, ny fidiram-bolan’ny tantsaha, ka hanamafy ny fahasahiranana any ambanivohitra.
Henintsoa




