Marina… malina

 

Fitakiam-bahoaka teny an-dalambe no nahatongavana amin’izao fitondrana Fanavaozana izao. Voalohany sy lehibe ary maika tamin’izany ny amin’ny famatsian-jiro sy rano. Teo koa ny vidim-piainana, ny famoronana asa, ny fandriampahalemana… Mby aiza? Ekena, misy ny ezaky ny fitondram-panjakana. Tsy ho vita indray andro, tsy ho vita indray manezaka… Na izany aza, misy hatrany ny velon-taraina etsy sy eroa. Ndeha ho afapo rahoviana? Na ahoana na ahoana, matoa misy mitaraina: misy antony ao. Misy mihaino?
Tsy takona afenina, sarotiny amin’izay mahazo azy sy izay takiny amin’izany ny vahoaka ifotony amin’izao. Misy mampiaka-peo amin’ny haino aman-jery, ao ny mifampitaona hidina an-dalambe na efa nidina an-dalambe aza ny sasany… Amin’izany, misy mandika avy hatrany ny hetsika ho politika: fanakorontanana, fanoherana… Sanatria, misy aza ny manararaotra. Mbola izay hatrany? Na ny fijery na ny fanao… Tsy hita izay fanovana na fanavaozana? Nefa efa izay no nahavoa teo aloha. Heverina ho ambanin-javatra na ambin-javatra ny fitarainam-bahoaka; farany, mivadika ho fitsarana ny tomponandraikitra tonga hatrany an-tampony ho tsy mahomby, tsy mandray andraikitra… Izay vao hikoropahana?
Loza iray, loza roa… Ny amisavisana an’izay, hiavian’ny soa. Tsy ilaozan’izay manararaotra? Na ahoana na ahoana, misy hatrany ny tsy maty voalavo an-kibo, matoa misy mikotrika fanonganam-panjakana na famonoana mpitondra. Tsy kely lalana ny ratsy? Fa tokony hanana lalana mazava koa izay tsara sitrapo. Ndrao hivadika zavatra hafa ny mbola fisian’ny karazana fitarainana etsy sy eroa, fitsikerana, fanomezan-tsiny… Toy izay nitranga sy niainana farany. Aleo malina na marina aza. Mahery tsy maody tsy ela velona?

R. Nd.

Partager sur: