Atombohy amin’ny tena aloha!

 

Nipoitra indray Ramalagasy sy ny toetrany, omaly. Taitaitra sy mikoropaka amin’ilay tsy manaiky ho gisitra izany. Inona moa no tiana hambara? Mahakasika ilay fikorontanana tamin’ny resaka famatsiana solika. Vao nilatsaka ilay hamehana mahakasika ny angovo, afakomaly alina, efa nampoizina ny fivoaran’ny raharaha. Samy sanganehana daholo ny rehetra!
Inona marina no zava-miseho fa toa mivadika ho “mainty” ny tanàna. Tsy nitohy ilay firehetan’ny jiro 24/24 ora. Manomboka maizina ny toerana sasany. Ny famatsiana solika, omaly, tena nanahirana. Vao maraina, efa nihazakazaka nilahatra ny mpitondra fiara. Nisy ny toby fitsinjarana solika nilaza fa lany tahiry. Teo ny niandry famatsiana fa ritra ny tao anaty sinibeny. Nanomboka nipoitra ny fitiavan-tena.
Mampalahelo ny toe-tsain’ny sasany. Vao nilatsaka ny famatsiana dia nihazakazaka nandahatra bidao mavo. Nisy ny lany henatra nilanja barikabe efa ho 200 litatra. Atao inona anefa izany? Hanaovana varo-maizina mazava hoazy. Efa mikendry fomba hanararaotana ny hafa. Ny mpiasan’ny toby sasany koa matin-kenamaso amin’ny mpanambola rahateo ka tsy mahasahy mitsinjara ara-drariny.
Miandry sy miandrandra fanavaozana, hono? Toe-tsaina tahaka izany ve ho azo ianteherana? Tsy ny kolonely, velively, no afaka hanavao rehefa ny tsirairay aza tsy resy lahatra. Rehefa baikoin’ny hoe “izaho aloha vao ny hafa” dia mivarina an-kady eny foana. Tsy misy fandrosoana hipaka, hisitrahan’ny olon-drehetra, akory. Tsy maintsy ho resy sy mahantra lava ilay Malagasy, efa mampahonena kely.
Mila atomboka amin’ny isam-batan’olona aloha ny fanavaozana vao afaka iandrandrana ny fanjakana. Tsy tokony hisy ny fifanomezan-tsiny rehefa tsy tratra ny tanjona tamin’izay nitolomana. Tiatia kely iray trano!

r.r

Partager sur: