Samy maka, tsy mifanambaka

 

Tao anatin’ny 24 ora, hita taratra fa niverina ny toetra ratsin-dRamalagasy. Malaza ho mpandala fihavanana imasom-bahoaka fa mifamotika araka izay tratra ato anatiny. Mifampitsentsitra! Mitady ny fomba rehetra hakana izay azo alaina amin’ny mpiray tanindrazana. Mahakasika ny andro voalohany sy faharoa, taorian’ny filazana ny hamehana amin’ny angovo eto Madagasikara no tian-kambara.
Aiza ve ka hatramin’ny omaly, mbola mahita sokajin’olona tsy tahotra tsy henatra milanja barikabe, handeha hividy solika. Ny tahiry isaky ny toby fivarotana aza anefa tsihitsihifina araka izay azo raisina. Vitsivitsy ny toerana nahitana filaharana, na izany aza. Misy ny toby tsy nivarotra noho ny tsy fananana tahiry. Misy ny nisokatra fa efa nametraka lamina sy mametra ny azo alaina. Tsy nilaozan’izay mbola manao gaboraraka anefa izany.
Mahamenatra ny mahita ilay fifandrombahana kanefa raha ny fanambaran’ny tomponandraikitra, ampy tsara ny tahiry. Midika izany fa tokony samy handinika fa tsy hisesika homan-draha mahampy. Vanim-potoana iray hitsapana ny fatran’ny fitiavan’ny Malagasy ny mpiray tanindrazana aminy izao. Tsy natao hifanimbana amin’ny fikatsahana tombony manokana.
Hamafisina etoana, sintomina hatrany ny lakolosy ho an’ny Malagasy tsivakivolo. Rehefa ny vahoaka no mifampihinana dia aza gaga raha mihanjahanja tsy misy mpiaro izay. Ny ambony efa mifanovana mba ho ambony kokoa hatrany. Tsy misy mivaky loha amin’ny sarambabem-bahoaka izany. Iaraha-mahita ny zava-misy. Samy mitady ny ho azy, samy miketrika ny tombontsoany.
Manoloana ny zava-misy, tsy azo atao mihitsy ny mikombom-bava, mamoha ny aty fanahin-dRamalagasy. Tsy manan-jo ny hanantena fiovana rehefa tsy mahatsapa tena fa tsy tokony hifanambaka. Samia mamisavisa!

r.r

Partager sur: