Soirée Gala: Hanehoana ny talentan’ny Malagasy mpamorona

Hisy ny « Soirée Gala » atao etsy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny alarobia 15 avrily 2026 ho avy izao, amin’ny 7 ora sy sasany hariva. Hetsika karakarain’ny fikambanana  Wednesday Morning Group (WMG), tohanan’ny Yas Madagasikara. Nampitondraina ny lohahe­vitra hoe : “Les femmes se lèvent de l’ombre à la lumière” na vehivavy matanjaka, mi­joro, ary mamiratra eo anivon’ ny fiarahamonina. « Fotoana hampisehoana sy hanomezan-danja ny talentan’ny mpamorona eo amin’ny tontolon’ ny zaitra sy ny lamaody eto Madagasikara », hoy i Fiona Tsiranana, filohan’ny fikambanana WMG, nandritra ny fampahantarana ny hetsika tetsy Andraharo, omaly. Ho avy handray anjara hanafana ny lanonana ny mpisehatra maro eo amin’ny tontolon’ny zaitra sy ny lamaody: toa an-dry Eva Lamba, Feel Good, Gaona, Jaomatanna, Meva Sany, Jaomatanna, Maeva Sany, Sih Rakout ary Tahra. Fo­toana hanehoan’izy ireo ny talentany amin’ny alalan’ny fampirantiana ny lamaody sy ny zavakanto ataon’izy ireo. Tanjon’ny hetsika, ny hanampiana ireo vehivavy raisin’ny fikambanana WMG an-tanana amin’ny lafiny zaitra sy ny crochet ary ny informatique digital. Eo koa ny hahazahoan’ny vehivavy fizakan-tena sy ny maha izy azy eo amin’ny se­hatry ny asa. «Atokana ha­nampiana ireo sekoly sahirana sy entina hanaovana ny fiofanana maimaimpoana ho an’ireo vehivavy sahirana liana amin’ny asa soa ataonay ny vola rehetra azo amin’io hetsika io », hoy ihany izy.
« Laharam-pahamehana ho anay ny fanampiana sy fanohanana ny vehivavy ka antony nahatonga anay nanohana ny hetsika », hoy kosa ny avy amin’ny Yas Madagasikara.

Mino

Partager sur: