«Ligue des champions Afrique»  : Nomontsanin’ny Young Africans 4 no ho 0 ny CFFA

Ratsy ny vokatra ho an’ny CFFA, teo amin’ny lalao mandroso, anatin’ny dingana faharoa hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika «Ligue des cham­pions Afrique », taranja baolina kitra. Nomontsanin’ny Young Africans Tanzanie, tamin’ny isa mavesatra, 4 no ho 0, mantsy izy ireo. Fihao­nana notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Azam Complex Stadium ao Dar-es-Salam. Tsy nisy na­nam-po io isa io ny rehetra. Samy nihe­vitra ny mpanara-baovao fa hahatafiditra baolina ny solontena malagasy. Na izany aza, nanatombo teo amin’ny fifehezana ny kianja sy ny fitazomam-baolina ny Tanzania­nina. 63 % izany ho an’ny Young Africans ary 37 % monja ny an’ny CFFA. Nampi­ditra ny baolina voalohany ry zareo, teo amin’ny minitra faha-39, tamin’ny alalan’i Cheikh Touré, rehefa votsotra teny an-tanan’i Gôly kely mpiandry tsatoby ny baolina. Nentin’ny roa tonta niala sasatra io isa 1 no ho 0 io. Fizaram-potoana faharoa, tsy hita tao amin’ireo mpilalaon’ny CFFA loatra ilay fahavitrihana sy fanafainganana lalao. Mbola nanampy isa indray avy eo ny Young Africans, teo amin’ny minitra faha-47, izay tafiditr’i Albert Kangwanda. Tsy nijanona teo fa mbola nampian’i Mudathir Yahia in­dray, teo amin’­ny faha-54 mn nilalaovana ary nofaranan’i Maxi Nzen­geli, minitra faha-59. Lavo tanteraka ny CFFA. Lalao miverina hotanterahina rahampitso alarobia any Tan­zanie ihany. Sarotra nefa azo atao. Inoana fa hiezaka hanarina sy hanitsy ny lesoka ny mpanazatra.

Tompondaka

Partager sur: