Fampiroboroboana ny fampiasam-bola: Mifanolo-tanana ny EDBM sy ny CCIFM

Vita Sonia ny alarobia teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa ny EDBM sy ny CCIFM ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola. Kendrena ny hanohana ireo orinasa frantsay sy iraisam-pirenena miasa eto amintsika.

Rafitra mpiara-miasa akaiky sy manohana ny sehatra tsy miankina efa hatry ny ela ny Economic Development Board of Mada­gascar (EDBM) sy ny Anteni­mieran’ny Varotra sy ny In­dostria France Madagascar (CCIFM). Manohana ihany koa ny fampahafantarana an’i Madagasikara ho toerana stra­tejika ho an’ny fampiasam-bola, indrindra ho an’ireo mpampiasa vola frantsay sy iraisam-pirenena. Hanamafy ny fiaraha-miasa niorina tao anatin’ny fifampitokisana, fa­hombiazana ary tanjona iraisana ny fanavaozana ny fiaraha-miasan’ireto rafitra ireto. Harindra ao anatin’ireo fifanarahana ireo asa iombonana mba hahazoam-bokatra mi­vain­gana. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fampiasam-bolan’ireo mpisehatra ara-toekarena, fanohanana ireo tetikasa hiasa eto Mada­gasikara ary fampahafantarana ny Nosy malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka hisarihana ny fampiasam-bola. “Vina iraisana ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny hametraka an’i Madagasikara ho kihon-dalana ho an’ireo mpampiasa vola”, hoy ny filohan’ny CCIFM, Raharinosy Johanne. Nilaza kosa ny tale jeneralin’ny EDBM, Rafidy Josielle fa ” hanolotra tontolo azo antoka sy voarindra ho an’ny fampiroboroboana ny orinasa vahiny eto Madaga­sikara ny fiaraha-miasan’ny roa tonta”. Tanjona ny hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasi­kara sy Frantsa, izay mpiara-miombon’antoka amin’ny firenena. Paikady apetraky ny EDBM sy ny CCIFM ny ha­nambatra ny fahaiza-manaony hanohana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny orinasa frantsay sy iraisam-pirenena, indrindra ireo ao anatin’ny tambajotran’ny CCI France International.

Paikady
Hifantoka amin’ny fifanakalozan-kevitra stratejika ny roa tonta hanamorana ny fampiasam-bola. Hojerena ihany koa ireo hetsika sy iraka ara-toekarena hisarihana ireo mpampiasa vola. Ankilany, misokatra amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny “Bu­siness France ” ny tetikasa, izay hanamafy ny fifandraisana eo amin’i Mada­gasikara sy Frantsa. Heverina fa hampitombo ireo tetikasam-pampiasam-bola vahiny eto amintsika sy hanampy amin’ny famoronana orinasa ary fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fifanaraham-piaraha-miasa.

Henintsoa

Partager sur: