Noraisina fa tsy mitombina ny fitarainana nataon’ny US Ankadifotsy, mahakasika ny lalao nikatrohany tamin’ny FTM Manjakaray. Raha tsiahivina, nangataka izy ireo ny hanaovana fanadihadiana ny mpitsara, ny nanekena ny baolina voalaza fa voatsindry nataon’izy ireo ary ny fanasaziana ny mpitsara. Nambaran’ ny tomponandraikitry ny fifaninanana eo anivon’ny Malagasy Rugby fa rehefa nojerena tamin’ny antsipiriany ny porofo nentin’izy ireo dia tsy naharesy lahatra avokoa. Ankoatra izay, araka ny lalàna, resy avy hatrany izay ekipa miala ny kianja. Resy, araka izany, ny USA Ankadifotsy izay tsy nety nanohy ny lalao teo amin’ny minitra faha-72 rehefa nitarika 35 no ho 28 ny Manjakaray.
Hitohy amin’ny alahady ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ny manasa-dalana. Hifandona amin’izany ny Cosfa sy ny FTM Manjakaray. Ekipa roa efa diso mifankahalala tsara. Hanala vela nefa amin’ity ry zareo FTM. Ny ankatoky ny famaranana iray kosa hifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny Uscar. Hangotraka ny fifanandrinan’ireto fileovana roa ireto. Hiendrika famaranana kely mialoha ny fotoana ny fihaonan’izy ireo. Samy manana mpilalao mahay sy kinga ny andaniny sy ny ankilany ka ho resy izay ratsy fiomanana. Hialoha ireo lalao ireo ny manasa-dalana ho an’ny D1, vehivavy. Hifampitana, amin’izany, ny RCTS sy ny SCB ary ny FTM sy ny FTFA.
Tompondaka




