Sandan’ny fanaovam-baksiny: Andrasana ny didy fampiharana ny lalàna 2016-058

Nanao adisisika momba ny tetibolan’ny vaksiny ny firaisamonim-pirenena, nandritra ny telo taona. Nahitam-bokany izany ka tafakatra 23 miliara Ar izany amin’ity taona ity.

Mahatratra 15 tapitrisa dolara isan-taona ny vola atokan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny vaksiny. Vola avy amin’ny fanjakana ny 5 tapitrisa dolara ary omen’ny mpiray ombon’antoka kosa ny 10 tapitrisa dolara. Vokany, rehefa misitaka ny ampahany amin’ny mpanohana, sahirana ilay firenena. Tokony hampitomboina ny sora-bolan’ny fanjakana hatokana ho an’ny fanaovam-baksiny, araka ny fanazavan’ny solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena GHAI miara-miasa amin’ny Gavi, Dr Ramamonjisoa Elie, omaly, teny Antaninarenina. 5, 4% amin’ny tetibola ankapoben’ny fanjakana no hatokana ho an’ny fahasalamana ary ireo no tsinjaraina amin’ny fandaharanasa samihafa ka anisan’ny fanaovam-baksiny. Paikady ara-toekarena ma­homby ny fitsinjovana ny fahasalamana satria ny vahoaka salama no afaka mamokatra mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena. Miaro amin’ny aretina marobe ny vaksiny ary fandaharanasan’ny fahasalamana tena manome vokatra azo refesina ny fanaovam-baksiny. Ny vola 1 dolara ampiasaina ho an’ny vaksiny dia mamokatra 23 dolara ho an’ny toekarena. Mihena ny vola atokana ho an’ny fitsaboana satria salama rehefa vita vaksiny ny vahoaka ka afaka mamokatra. Efa voaporofo fa mihena ny famokaran’ny zaza voan’ny polio rehefa lehibe izy.
Isorohana ny fahataran’ny famoahana ny tetibola ho an’ny vaksiny, zava-dehibe ny fametrahana ny tahiry nasionaly ho an’ny fanaovam-baksiny (FNV), araka ny lalàna 2016-058 momba ny fametrahana ny tahiry nasionaly ho an’ny fanaovam-baksiny (FNV). Hatramin’izao, mbola miandry ny famoahana ny didy fampiharana io lalàna io ny fiarahamonimpirenena. Hanatanteraka adisisika eo anivon’ny governemanta izy ireo sy ny solombavambahoaka mivondrona ao anatin’ny Coalition des parlementaires pour la vaccination hanafainganana ny fametrahana ny FNV, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasan’ny fiarahamonimpirenena ho an’ny vaksiny, Rakotonirina Miarosata.

Vonjy

Partager sur: