Ny EPP Antsahabe, EPP 67 Ha Avaratra, EPP Manakambahiny, EPP Ambodimita, EPP Ampitatafika, EPP Mandroseza, EPP Ankadifotsy II ary ny EPP Amboditsiry. Ireo no voasokajy ho sekoly sakaizan’ny rano, fidiovana sy fanadiovana teto Antananarivo. Notolorana ny mari-pankasitrahana tao amin’ny EPP Antsahabe izy ireo tamin’ity herinandro ity. Nandalo dingana maro ny fifantenana nafahan’ireo sekoly ireo nisalotra izany sekoly sakaizan’ny rano, fanadiovana sy fidiovana izany.
Teo ny fisitrahan’ny sekoly rano fisotro madio, ny fampiasana toeram-pivoahana araka ny tokony ho izy, ny fitantanana ny fidiovana sy ny fahasalamana an-tsekoly ary ny fanasana tanana amin’ny rano sy ny savony.
Tanjona ny hametrahana fiovam-pihetsika sy fitondran-tena modely ho an’ireo mpianatra.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny alalan’ny foibem-pitondrana misahana ny fampianarana tsy maintsy diavina (DEO) sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana izay vatsian’ny WSUP vola no nahafahana nanatontosa ny tetikasa.
Notokanana niaraka tamin’ izany ny takelaby sy ireo fotodrafitrasan-drano sy trano fidiovana amin’ireo sekoly.
Mbola maro amin’ny sekolim-panjakana no mijaly rano kanefa voizina any an-tsekoly ny resaka fahadiovana. Mitaky ezaka betsaka amin’ny fanjakana ny fametrahana fotodrafitrasa momba ny rano sy fidiovana sy fahadiovana eny an-tsekoly.
Tatiana A




