Avy amin’ny amerikanina : Fifanaraham-piaraha-miasa MOU, mitentina 134 tapitrisa dolara

Miara-mamolavola tetikasa hanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara ny ekipan’ny minisitera sy ny amerikanina. Mitentina 134 taipitrsa dolara izany fiaraha-miasan’ny roa tonta izany.

Roa andro ny fanatanterahana ny atrikasa natao tetsy amin’ny masoivoho amerikanina ma­ha­kasika ny vina iombonana sy famolavolana ny drafitra fampiharana voalohany ilay fifanaraham-piaraha-miasa MOU eo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Haharitra 5 taona ny fiaraha-miasa izay efa nosoniavina ny volana desambra 2025 tao anatin’ny America First Global Health Strategy an’ny fitondrana Trump.
Mikasa hanome 134 tapitrisa dolara na manodidina ny 554 miliara Ar i Etazonia, izay miara-miasa amin’ny kongresy, hanohanana ny fahavitan-tenan’ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara sy ny fahaizany miatrika ny areti-mifindra.
Hanampy ny tetibola entin’ny governemanta malagasy, mitentina 41 tapitrisa dolara na manodidina ny 169 miliara Ar io vola omen’ny amerikanina io.
Noresahina nandritra ny atrikasa ny drafitra entina hampiharana ilay MOU sy ny famaritana ny andraikitra ary ny fepetra iasan’ireo komity roa mpanara-maso. Hitari-dalana ny fanatanterahana ny asa sy hiantoka ny mangarahara, indrindra ny tamberin’andraikitra ireo komity ireo.
Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fametrahana mari-pandrefesana hanaraha-maso ny fandrosoan’ny asa sy ny vokatra azo.
Tarihin’ny Malagasy ny fampiharana ny drafitra ary ny fanohanana avy amin’i Eta­zonia izay miompana amin’ny fanamafisana ny fisorohana ny aretina, ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ary ny fananganana rafitra hovatsian’i Madagasikara sy hitarihiny bebe kokoa amin’ny hoavy.
Niarahana tamin’ny mpi­an­draiki-draharaha amerikanina sy ny tale jeneralin’ny INSPC niaraka tamin’ireo ma­nam-pahaizana ara-teknika avy amin’ny masoivoho amerikanina sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanatanterahana ny dinika momba ity fifanaraham-piaraha-miasa MOU ity.

Tatiana A

Partager sur: