Kianjan’ny Malacam : Navadika ho toerana ilalaovan’ny ankizy

Nampahafantarin’ny kaomininan’Antananarivo Renivohitra fa navadika ho sehatra hampifaliana sy hikarakarana ireo ankizy marefo eny an-dalambe ny kianja Malacam Antanimena.
Tamin’ity herinandro ity, nisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana natao tamin’ireo ankizy zanaky ny lalana natao tao an-toerana. Nahi­tana fizahana maso sy fizahana ankapobeny. Teo koa ny tohana ara-moraly sy fikarakarana kopia sora-piankohonana. Ankoatra izany, ny karazana kilalao mahasarika ny ankizy toy ny cirque, angano…
Tokony hisitraka ny zony feno ireo ankizy rehetra ireo na dia taizain’ny lalana ka izany indrindra no nanokafana ny kianja ho azon’izy ireo hilalaovana sy hibeazana arakaraky ny tolotra omena ao.
Ifarimbonan’ireo sehatra maro ny fikarakana ny ankizy ao amin’ity toerana ity. Miandraikitra izany ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra, ny tetikasa Sadratra, ONG Manda, Graine de Bitume, Lions Club…
Tena mila fiahiana ireo ankizy mpirenireny an-dalambe ary rariny raha misy ny toerana handraisana azy ireny hahafahana mifehy sy manabe azy indrindra koa. Vola­volain’ny lalana ireo ankizy ka mandeha an-jambany ary tsy mahafantatra izay mety sy tsy mety hatao.

Tatiana A

Partager sur: