Momba ny zava-misy any Atsimo amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, « tokony hanana drafitrasa matipaika ny Ofisim-pirenen’ny fanjarian-tsakafo (ONN) amin’ny fandrindrana ny asa rehetra », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Vovonana Hina. Ho an’ny firaisamonim-pirenena manokana, mitohy ny asa fanentanana eny ifotony. Tokony harindra ireo mpisehatra ary tsy tokony hivangongo amin’ny distrika iray ny asa satria maromaro ireo kaominina efa ahitana soritry ny olana ara-tsakafo.
Ny vaksiny dia miaro amin’ny aretina maro ary mampihena ny taham-pahafatesana. Rehefa mampiditra vaksiny vaovao ny fanjakana, mitombo koa ny vola aloha. Hatramin’izao ny mpamatsy vola (Gavi) no miantoka ny 80% amin’ny vidin’ny vaksiny, ny 20% no anjaran’ny fanjakana. Rehefa tsy mahefa ilay 20% ny fanjakana dia tapaka ny fanohanana. Tokony hitombo isan-taona koa ny vola omen’ny fanjakana, hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny mpamatsy vola lava.
Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro, amin’ny ankapobeny, mandritra ity herinandro ity.Tsy hisy tranga mahery vaika mety hahakasika mivantana ny toetry ny andro eto Madagasikara, noho izany. Hitoetra ny zavona ny vao maraina amin’ny afovoantany, ny tapany atsimo ary ny ilany atsimo atsinanan’ny Nosy. Hisy fidinana kely ny maripana ambany indrindra amin’ireo toerana misy zavona ireo. Tombanana hisy fiakarana kosa ny maripana ambony indrindra saika manerana ny Nosy. Manodidina ny 12 – 26 °C izany ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 – 39 °C ny tolakandro.




