Hatao ao amin’ny CHU Analakinina, Hopitaly be ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hisitraka ny fandidiana ataon’ilay sambo hopitaly Mercy Ships, ny 29 avrily hatramin’ ny voalohan’ny volana mey.
Voafaritra mazava ny karazan’aretina raisina an-tanana sy anaovana fandidiana. Ho an’ny ankizy 4 hatramin’ny 12 taona, raisina an-tanana ny fandidiana sy fanitsiana ny kilema toy ny tongotra bingo (bancal) sy ny tongotra mifampiditra (X), ny tongotra mitringa na mandeha amin’ny rantsan-tongotra, tongotra miondrina na mitongilana.
Ho an’ireo manana fivontosana amin’ny tarehy ihany koa dia karakarain’ny Mercy Ships. Ho an’ny vehivavy, karakarain’izy ireo ny fandidiana ny aretina fibrome, fihintsanan’ny tranon-jaza, kista lehibe amin’ny ovaire…
Hetsika fanararaotra ny fisian’ireo dokotera vahiny sy Malagasy manao fandidiana maimaimpoana toy izao. Mbola maro ireo any amin’ny faritra maniry ny hihazo an’i Toamasina hanao izany fandidiana izany indrindra ireo manana fivontosana amin’ny tarehy sy mitondra kilema efa an-taona maro te hahazo fanarenana.
Tatiana A




