Mivadika mangatsiaka amin’izay ny andro rehefa diva haraina sy ny hariva. Mila mitandrina, noho izany ireo olona marefo, toy ny ankizy sy ny zokiolona ary ireo reny bevohoka sy ireo manana aretina mitaiza. Tena sarotiny izy ireny, mora andairan’aretina rehefa miova toy izao ny toetry ny andro.
Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny CHU Mitsinjo Betanimena no nilazany fa miankina betsaka amin’ny fahampian’ny fitaovana sy ny filaminan’ny tontolo hiasana eny anivon’ny toeram-pitsaboana ny fahasalaman’ny vahoaka. Laharam-pahamehana ny fanavaozana sy fanitarana ny efitrano fandidiana sy fiterahana…
Manamafy hatrany ny ezaka ho fanatsarana ny fanabeazana ny fanjakana. Tao amin’ny EPP Besakoa, sekoly nianarany fahiny, no naneho fiahiana manokana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ny Filoham-panjakana. Nanolotra tafo fanitso miisa 100 sy loko miisa 10 daba ho fanatsarana ny fotodrafitrasa ny tenany.




