Notsirihina ny fantsona 200 km : Very rano 4 000 m3, isan’andro, Antananarivo

Natolotra omaly, teny Ivandry, ny vokatry ny asa fanadihadiana notanterahin’ ny cabinet Ax’eau, momba ny fitsirihana ifotony ireo fahaverezan-drano misy amin’ny fotodrafitrasan’ny Jirama, indrindra ny fantsona.

200 km amin’ny fantsona eto Antananarivo no notsirihina ka nahitana fahaverezana rano mitentina 4 000 m3, isan’andro. Ampahany notanterahina no nanome io vokatra io, fa raha hitarina amin’ny 1 300 km amin’ny fantsona misy eto Antana­narivo, goavana ny fahaverezan-drano. “Antony nanatanterahana ny fitsirihana ny hahafahana mijery ireo asa tokony hotanterahina ao anatin’ny fohy, antonony ary lavitr’ezaka, ho fanatsarana ny fampisitrahana rano madio ny mpanjifan’ny Jirama, amin’izao fotoana izao”, hoy ny mpandrindra ny tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano madio (PAAEP), i Ranto Rakotonja­nahary.
Noho ny fahanteran’ny fantsona, eo Mandroseza dia efa ahitana fantsona vaky, mitarika fahaverezan-drano ary miseho amin’ny lalany rehetra any ambanin’ny tany eto Antananarivo izany. Mety mitranga amin’ny fantsona sy amin’ny fizarana rano miainga amin’ny fantsona lehibe izany. Amin’ny fantsona 1 km, misy fahaverezan-drano iray no hitan’ny cabinet nanadihady.
Vokatr’izay, misy mpisitraka rano teo aloha tsy afaka mahazo izany intsony, na mihena be ny tosiky ny rano tonga any an-tokantrano. Vahaolana vonjimaika ny fitsaboana haingana izany fahaverezan-drano izany. Ao anatin’ny roa taona ho avy, hosoloina ny fantsona mirefy 64 km miainga eny Mandroseza, mamakivaky tanàna maro eto Antananarivo Renivohitra sy amin’ny kaominina manodidina.
Anisan’ny asan’ny PAAEP koa ny fanatsarana ny zava-misy sy ny fanitarana. Tetikasa iray ny eny Ambohitrimanjaka. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana teknika sy ara-tontolo iainana, sosialy ny teknisianina fa tsy mbola hanomboka ny asa. Mijery ny teknika mahomby hanatanterahana ny asa sy mitondra ny vokatry ny fanadihadiana eny amin’ny tompon-tany izy ireo.

Vonjy

 

Partager sur: