Foara ho an’ny kojakojam-panadiovana : Maimaimpoana ny fitsidihana tranoheva

Hotanterahina etsy Ma­hamasina, manomboka ny 30 avrily hatramin’ny 2 mey izao, ny «Foire Pro’hygiene – cosmétique». Tsy fahita firy ny hetsika karakarain’ny ZRK Evenement, amin’izao andiany voalohany izao. Hanehoa­na ireo kojakoja samihafa ho an’ny fanadiovana, ny mpisehatra amin’ny fizahantany, ny tontolon’ny endrika amam-bika, ny vokatry ny asa tanana ary koa ireo lalao samihafa eny an-toerana. «Nosafidina manokana izao hetsika izao, taorian’ireny valanaretina ireny, sady mamaly ny filan’ny olona izahay. Ilaina ny fahadiovana sy ny fanadiovana, ary ny vatana aza mila izany isan’andro», hoy ny tomponandraikitra, Rakotoseheno Zina, tetsy Tanjombato, oma­ly. Natsidiny fa ahitana tranoheva maherin’ny 70 izany ary samy haneho ny vokatra ao aminy ireo orinasa miaraka amin’ny marika tena izy, avy amin’izy ireo. Hisy fihenam-bidy rahateo ny vokatra amin’ izany…
Etsy andaniny, nambarany fa maimaimpoana avokoa ny fitsidihana ny tranoheva, saingy hisy kosa ny tapakila amin’ny fividianana entana na kojakoja samihafa, ahazoana fa­nomezana. Anisan’izany ny fivahinianana any Manamba­to. Eo koa ny famelabelaran-kevitra sy adihevitra manodi­dina lohahevitra samihafa amin’izao hetsika izao. «Na­tao ho an’ny rehetra ny «Foire Pro’hygiene – cosmétique». Na hatramin’ny ankizy aza, hanana ny anjarany, ankoatra ireo fanentanana samihafa», hoy ihany izy.
Tsiahivina fa efa enin-tao­na izao ny ZRK Evenement ary nikarakara hetsika amin’ny sehatra samihafa miisa valo tao anatin’izay fotoana izay.

Tatiana A.

Partager sur: