Notanterahina tao Ampefy, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana manokana momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mikroskopy ny aretina bilariziozy sy géohelminthiases. Mpiofana valo, voafantina, no nomena traikefa. Singa miisa 760 no nodinihina tsirairay tao anatin’izany. Fiofanana mirindra sy fanaovana fampiharana mihitsy no natao. Nisy ny masontsivana sy tomban’ny ezaky ny tsirairay nahafahana nandrefy ny fifehezana ny fitiliana ireo aretina roa ireo amin’ny alalan’ny mikroskopy. Tanjona ny hahavitan’ireo mpiofana mamantatra, manavaka ary mandray fanapahan-kevitra haingana manoloana ny trangan’aretina na ny fahitana ny tsimokaretina. Tokony hanana ny fahaiza-manao amin’ny fitiliana sy fanavahana tsara ny aretina, ny famaritana tsara ny momba ilay katsentsitra ary ny famantarana ny aretina haingana, marina ary azo antoka, ny mpanao fitiliana. Fananganana sy fizarana ny traikefa sy fahaiza-manao ho an’ny tena fampiharana azy amin’ny andavanandro, araka izany, no natao tany Ampefy.
Tafiditra ao anatin’ny Drafitra nasionaly 2026-2030, niarahana tamin’ny mpampiofana profesora Randrianarivelojosoa Milijaona, ity natao ity.
Tatiana A




