Nanao tatitra ny fampiofanana nomena ny ekipan’ny BMH Isotry ny Institut pasteur de Madagascar (IPM). Tamin’ ny alalan’ny sampana virologie no nanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo matihanina mpandrakitra ireo fahafatesana vokatry ny aretin’ny taovam-pisefoana mahery vaika tao an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ny gripa sy ireo tsimokaretina hafa amin’ny taovam-pisefoana mety hiteraka valanaretina sy areti-mifindra goavana izany.
Mifototra amin’ny tranga tena izy ny fiofanana ka dokotera 13 sy mpitantsoratra no nisitraka izany. Nampahafantarina ny fomba fanasokajiana CIM-10, rafitra iraisam-pirenena mampifandray ny aretina sy ny antony mahatonga fahafatesana ho kaody. Mba hampifanarahana sy hanadihadiana ny angondrakitra ara-pahasalamana no antony. Teo koa ny momba ny fitantanana angondrakitra amin’ny alalan’ny sehatra RedCap, sehatra niomerika ahafahana manangona sy mitantana angona amin’ny fomba azo antoka, azo itokisana ary manara-penitra.
Tena ilaina amin’ny fanadihadiana ara-epidemiolojika, afaka manampy bebe kokoa amin’ny fitarihana ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana sy amin’ny famoahana tolo-kevitra mahasoa ho an’ny fahasalamam-bahoaka, ny angondrakitra marina sy manara-penitra.
Tatiana A




