Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny matematika : Mpampianatra fito misolo tena an’i Madagasikara

Mpampianatra fito, avy amin’ny Ecole doctorale ma­thématiques et applications (EDMA), ao amin’ny Oniver­siten’Antananarivo, no misolo tena an’i Madagasikara mandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny matematika. Atao any Filadelfia, na­nomboka ny alakamisy lasa teo ka hatramin’ny 31 jolay ho avy izao ny hetsika. Hanolotra ny asa fikarohany avy, eo anatrehan’ny fianakaviamben’ny mpampianatra matematika maneran-tany, izy ireo.

« Mahafaly ny mahatsapa fa manana toerana sahaza azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Malagasy mpahay matematika ary zava-dehibe ho anay izany », hoy ny profesora Randriambolo­londrantomalala Princy, lehiben’ny sampam-pampianarana Matematika ao amin’ny oniversiten’Antananarivo izay nitarika ny delegasionina.
Mandritra io fivahiniana any Etazonia io ihany koa ity lehiben’ny sampam-pampianarana ity no hitrandraka sy hanamafy ireo fiaraha-miasa eo amin’ny oniversite amerikanina sy ny oniversiten’An­tananarivo. Nampiantrano vao tsy ela rahateo ny profesora Jasbir Chahal, Matema­tisia­nina sy ny mpampianatra amerikanina avy ao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young ity sampam-pampianarana ity. Nizara traikefa akademika tamin’ny alalan’ny programa The fullbright program izy tamin’izany. Ny masoivoho amerikanina eto Madaga­sikara izay manohana hatrany ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fiaraha-miasa akademika toy izao.

Vonjy

Partager sur: