Dokotera Rakotomalala Edmond : Nanolotra toby ho an’ny zandary

Notokanana ny 24 avrily lasa teo, tany Ambo­hima­fana, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fan­driana, ny fitokanana ny toby vaovao ho an’ny zandarimariam-pirenena. Birao sy toeram-ponenana, mitentina 2 miliara sy 180 Tapitriasa Ar, avy amin’ny dokotera Rako­tomalala Edmond na i Ra-Edmond ED1. « Volako madiodio, valim-pitia ho an’ny tanindrazana no nanaovako azy io. Mari-pisaorana ny fitondram-panjakana izay namela ahy nanondrana sy nivarotra ny fanafody ED1 tany an-dafy tamin’ny fotoan’ny Covid 19 ireny. Vola azo tamin’ny varotra sy fanondranana no nentina nanangana ity biraon’ny zandary ity», hoy izy nanamarina ny antony nisafidianany hanao izao asa sosialy lehibe izao. « Tsy misy volam-panjakana, tsy misy fiaraha-miasa avy amin’ny mpamatsy vola hafa, tsy misy ambadika politika ihany koa fa tanjoko ny mba ho modely amin’ireo milaza ho tia tanindrazana. Tsy vitan’ny vava na resa-be fa mitaky asa izany. Raha misy roa na telo afaka managan-javatra tahaka izao dia efa zava-dehibe ho an’i Madagasikara», hoy ha­trany izy. « Aleo mametraka tantara ho an’ny taranaka mifandimby raha mbola misy ny herijika ahafahana manao izany. Tena ilain’ny mponina aty amin’ny tapany avaratra atsinanan’ny distrikan’i Fan­driana ny biraon’ny zandary ka nahatonga azy nisafidy ny fampijoroana azy fa tsy hopitaly na sekoly », hoy izy namarana ny fanazavany.
Marihina fa nandray sy nitokana izany tamin’ny anaran’ny fitondram-panjakana ny minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Bama Marima. Nanotrona azy ny kaomandy ambonin’ny zandary, ny Jly Mamelison Mbina Nonos. Tany an-toerana ihany koa ny lehiben’ny faritra Rakotomalala hariliva.

r.r

Partager sur: