Manoloana ny tsy fahazoan’ireo “internes qualifiants” sasany any amin’ny faritra ny tambin-karama ara-potoana, mandrangaranga fitokonana indray izy ireo ho fanairana ny fanjakana. Tsy mbola nisitraka ny tambin-karamany ny any Toliara, Toamasina, Mahajanga ary Fianarantsoa. Efa nahazo ny anjarany kosa ny eto Antananarivo sy Antsiranana. Raha tsy mandray ny volany ireo “internes” any amin’ireo faritra ireo hatramin’ny anio dia hiditra amin’ny fitokonana faobe, manomboka rahampitso. Service minimum no hataony eny anivon’ny hopitaly manomboka eo, raha tsy misy ny vahaolana.
Iaraha-mahalala anefa ny fahasahiranana eny anivon’ny hopitaly rehefa tsy eo ireo internes ireo. Miantoka ny ampahany betsaka amin’ny asa fandraisana sy fikarakarana marary ary mifanerasera akaiky amin’ny marary ihany koa izy ireo. Nanaporofo izany ny fandavana ny fandraisana ny marary nataon’ny hopitaly sasany satria tsy naharaka ny mpikarakara marary nandritra ireny tolona teto amin’ny firenena ireny.
Tatiana A




