Mahavariana ihany ilay zava-miseho eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Toa tsy hita taratra ilay maha Malagasy tia zaka tsara. Toa variana amin’ny vola aman-karena, miharo fitiavam-pahefana sy voninahitra, ny olon-drehetra. Samy maka ho azy, samy miaro ny rambony. Tsy te hahalala zavatra hafa ankoatra ny vatana maha olona. Manovokovoka mamoky ny kibo avokoa.
Hadino sy zary ambanin-javatra ny fanahy olona. Zary tsinontsinoavina kanefa mampandringa sy mampanan-kilema ny tsy firaharahiana ilay tsy hita maso. Fositra lehibe tsy ivelarana ny fihononana amin’ny maha manatsaina sy tompon’ny hery. Misy fetrany avokoa ireo ka tsy tokony ho lohalisitra amin’ny filan’olombelona. Ny hery rahateo tsy mahaleo ny fanahy, hoy ny oha-pitenena malagasy.
Tsy hanao dingan-dava hiteniteny ny mpitondra akory fa misintona lakolosy amin’ny olom-pirenena tsirairay. Tsy misy fiovam-piainana azo antenaina akory raha tsy mipetrapetraka ny isam-batan’olona. Diso misamboaravoara tafahoatra ilay onjam-piainana sedrain’ny Malagasy. Ny tontolo politika rahateo misafotofoto. Mody mangingina, mandeha tsikelikeky ny fanohizana ny asa nataon’ny teo aloha. Izay rafi-panavaozana manjavona.
Andrasana aloha izay ho fivoaran’ny toe-draharaha. Raha mandinika ilay nofinofy tany am-boalohany ny fihavaozana aloha dia maha lasa saina. Mbetika ilay Tia tanindrazana ikohizana ireto kintana sy bokotra. Mbetika ilay fahavalom-bahoaka niadiavana teo aloha niofo. Tsy hita be ihany izay hanasokajiana azy. Hatao ho tompon’andraikitra amin’ny fihisatry ny fiainam-pirenena toa vao haingana loatra.
Hatao hoe madio tanana toa hifampiantsaraivelatsihy eto foana. Mila mandini-tena ny rehetra, hisorohana ity fisamboaravoaran’ny onjan-dranomasina ity. Tsy handrendrika tanteraka ilay sambobe antsoina hoe Madagasikara.
r.r




