Notafihin’ny jiolahy : Mpivady hita faty tao an-tranony tany Manjakandriana

Mpivady hita faty nihoson-dra tao an-tranony, tany Ankazotokana, Manjakandriana, afakomaly. Nahalafo hazo izy ireo saingy efa naterina tany amin’ny havany ny vola. Notafihin’ny jiolahy anefa taorian’izay, ka izao namoy ny ainy izao.

Nisy namono tao an-tranony, tany Ankazo­tokana Atsimo, kaominina Ambatomena, distrikan’i Manjakandriana, ny mpivady (80 sy 76 taona). Ny sabotsy 03 oktobra, tamin’ny 06 ora sy 45 minitra maraina vao nisy nahatsikaritra ny razana. Nahazo antso avy tamin’ny sefo fokontany any an-toerana ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohitseheno. Nidina ifotony avy hatrany izy ireo vantany vao nahare izany, niaraka tamin’ny mpitsabo avy amin’ny CSB II Ambatomena. Hita faty tao amin’ny trano fonenany, tao ambony rihana, ireo mpivady tamin’ny fotoana nahatongavan’ny manampahefana. Mitsilany eo ambony fandriana amin’ny efitra atsimo ilay rangahy. Nahitana ratra eo ambonin’ny sofiny havia sy eo amin’ny saokany, nandritra ny fizahana nataon’izy ireo ny razana. Hita faty mihohoka eo ambony fandriana amin’ny efitra avaratra ilay ramatoa. Miakatra ao an-damosiny ny tanany iray an-kavanana. Ankoatra izany, nahitana ratra ny fihirifany havia. Niko­ron­tana tanteraka ireo lamba sy ny entana tao amin’ny efitra rehetra. Tomba­nana ho 48 ora talohan’ny fizahana ny fotoana nahafaty ireo mpivady ireo, raha ny fizahana na­taon’ny mpitsabo. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana.
Avy nivarotra hazo
Avy nivarotra hazo mitentina 3 tapitrisa Ariary ireo mpivady ireo talohan’io tranga io, raha ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny mpitandro filaminana. Efa nomen’izy mivady ny havany mialoha ireo vola vidin-kazo rehetra fa tsy notahirizina tao an-trano. Ankoatra izay, tsy nandray antso mihitsy izy ireo rehefa nantsoin’ny zanany. Nisy fahoriana saika hampitaina tamin’izy mivady ireo saingy tsy azo antso. Nanapa-kevitra nidina tany an-toerana ireo zanany taorian’izay, satria niahiahy sao nisy zavatra nahazo ireo ray aman-dreniny. Faty anefa no novantanina tamin’izany. Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ireo manam-pahefana, olona efatra no miatrika fanadihadiana. Mi­andraikitra izany ny zandary Ambohi­tseheno. Nentanina ny fokonolona mba hanamafy ny fiambenana sy hanara-maso ireo vahiny rehetra.

Mino

Partager sur: