Hampitsahatra ny fomba fiasa misaratsaraka ny tanjona nametrahana ny “Rahaka”. Rafitra iombonana hanamorana ny dingana sy ny asam-panjakana.
Nampahafantarina omaly, teny Ivandry, ny rafitra fifanakalozana nasionaly “Rahaka”, hanatsarana ny tolotra ho an’ny vahoaka mpisitraka. “Napetraka ny lalàna mifehy sy ny fahafahana rehetra mampifandray ny angon-drakitra any amin’ny andrimpanjakana sy ny orinasa tsirairay hanafainganana ny tolotra momba ny raharaham-panjakana samihafa”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Andriamampiadana Mahefa. Tanjona ny mba tsy hivezivezen’ny olona intsony fa azo atao ana habaka ny zavatra rehetra. Ohatra, eo amin’ny fitsaboana, karapanondro fotsiny no entina dia voarakitra ao avokoa ny mombamomba ara-pahasalamana reefa hanatona mpitsabo. Efa nivoaka ny volana desambra lasa teo ny Didim-panjakana mirakitra ny fametrahana ny “Rahaka” ary iantohan’ny fanjakana ny fiarovana ny angon-drakitra rehetra.
Nampiasaina voalohany tamin’ny alalan’ny orinasa ny rafitra fifanakalozana hanamorana ny dingana rehefa hanorina orinasa ary tafiditra tao ny EDBM, ny Cnaps, ny Instat, ny DGI ary ny minisiteran’ny Fitsarana. “Nokirakiraina nandritra ny fisoratana anarana biometrika koa ny fahafahan’ny rafitra mifandray”, hoy ny tomponandraikitry ny Unité de gouvernance digitale (UGD), Randriamanana Zo.
Nisy koa ny fanentanana ireo minisitera samihafa sy ny sehatra tsy miankina hiditra ao amin’ ny rafitra “Rahaka”. Mametraka fifanarahana miaraka amin’ny UGD ireo vonona ho an’ny lafiny lalàna, hiantohana ny fiarovana ny angon-drakitra ka samy tompon’andraikitra ny rafitra tsirairay tompon’ny angon-drakitra. Nandritra ny fampahafantarana ny “Rahaka” teny Ivandry, niroso tamin’ny fifanarahana hidirana ao anatin’ny rafitra fifanakalozana nasionaly ny Banky foiben’i Madagasikara, ny orinasa fiantohana Aro.
Samy hahazo tombony avokoa na ny olom-pirenena na ny fanjakana, satria ho an’ny sokajy voalohany, hihena ny fotoana sy ny vola lany hivezivezena mikarakara taratasim-panjakana, mora kokoa ny dingana arahina. Ho an’ny fanjakana, mirindra ny fitantanana ny raharaham-panjakana ary tsy misy ny “doublons”.
Vonjy




