Mahamasina : Voaroba ny solosaina tao anaty fiara

Novakian’ny olon-dratsy ny fiara iray nipetraka teo Mahamasina, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Najanon’ny tompony fotoana vitsy monja teo amin’io toerana ampitan’ny Kianja Barea, ny fiara. Nihidy avokoa ny varavarana rehetra. Nanararaotra anefa ireo tontakely ka novakiny ny fitaratr’ilay fiara nipetraka teo amoron-dalana. Nalainy ny solosaina tao anatin’io fiara io ary tsy hita popoka ity farany. Fiara vaky sy entana efa very no hany sisa novantanin’ny tompona fiara. Matetika hitrangana halatra tahak’ity niseho omaly ity amin’ireo toeram-piantsonan’ny fiara sasantsasany eto Antananarivo Renivohitra. Na eo aza ny fisian’ireo mpiambina manokana amin’ireny toerana ireny, misy hatrany ireo fiara lasibatra na amin’ny andro atoandro aza. Maro ireo mpamaky fiara efa voasambotry ny polisim-pirenena toy ny teny Ampandrana sy 67 Ha, saingy mitohy hatrany ny asa ratsin’ireo tontakely.

Tsiferana R.

Partager sur: