Milalao afo ?

 

Hafahafa ny fizotry ny raharaham-pirenena ankehitriny. Tsy hay mazava ny tena fandehany. Ny ao anatiny toa resy lahatra fa miroso ny dia. Manga ny lanitra ato anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy takona afenina fa efa miseho sehatra any ivelany rehetra any ny Filoham-panjakana. Mandeha sy mizotra araka ny tokony ho izy ny ady sisika diplaomatika.
Ho an’ny mpitazana ety ivelany. Hafa mihitsy ny kisary hita. Atao hoe marary tsy marary. Atao hoe vazaha mody miady, mifanao kopaka isasahana ihany. Lazaina ho mihisatra indray anefa, toa miroso ihany. Tsy hay izay zotra tena izy. Mifamahofaho be ihany. Izay tsy tafiditra ao anatin’ny manontolo lehiben’ny fitondrana rehetra aloha mahita ny fikatsoana.
Fomba fijery avokoa ireo, saingy mila fitandremana sy fahamailoana hatrany ny zava-miseho sy iainana ankehitriny. Tsy misy afaka ny mitompo teny fantatra. Sanatrian’ny vava ka milalao afo ireto mpiantsehatra samy te ho sangany sy ho lohany. Mitady tsy ho voafehin’izay milaza azy ho tompon’ny teny farany sy ny fanalahidy ny kajikajin’ny mpitazana sy ny « mpibaiko » avy any ivelany.
Mampanahy ny fivoaran’ilay raharaha. Mampametra-panontaniana ny fahasahiana. Azo antoka ve anefa ny fiarovana? Sao miala an’Ankatso dia Ambohindempona? Mahasanganehana ilay zava-miseho na dia heverina ho tena zava-dehibe aza ny fiandrianam-pirenena. Ny hirariana fotsiny dia mba tena samy madio am-po ny olon-drehetra. Maka fanapahan-kevitra am-pahendrena sy am-pahamendrehana.

r.r

Partager sur: