Asa vitan’ny fitondrana Fanavaozana tato anatin’ny fotoana fohy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana ny fanafoanana ny ampihimamba. Nilaza ny minisitra Andriamadison Haingotiana, omaly, tany Antalaha, fa mahatratra 324 ny fahazoan-dalana nozaraina, ankehitriny, raha 90 monja izany, nandritra ny fitondrana teo aloha. Notsorin’ny filohan’ny kaoperativan’ny mpamboly lavanila, fa « tsy nisy mpamboly nahazo fahazoan-dalana hanondrana, raha tsy tamin’izao Fitondrana izao ». Marihina fa ny mpanangom-bokatra sy ny mpanondrana ihany, izay olom-bitsy, no nahazo alalana hanondrana any ivelany hatramin’izay.
Nosokafana ho an’ny fanondranana lavanila ihany koa ny seranan-tsambo telo any avaratr’i Madagasikara, dia Vohémar, Antsiranana ary Nosy Be. Nofoanana ilay haba 4 dolara isaky ny kilao nalain’ny CNV, izay novaina ho « Alliance pour la vanille de Madagascar » (ALM). Nilaza ny filoha Randrianirina Michaël, fa nosokafana ity vovonana ity, mba hialana amin’ny kolikoly. Nisy ny atrikasa nataon’ireo mpisehatra amin’ny lavanila tany an-toerana, ary natolotra ny PRRM ny fehin-kevitra.
Njaka A.




