Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fahazoan-dalana famindram-bola handoavana ireo vatsim-pianarana sivy volana miaraka amin’ny fampitaovana ho an’ireo oniversite enina sy IST telo ary ny oniversite manakaiky vahoaka.
Efa namoaka ny tetiandro fandoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny doctorant amin’ny taom-pianarana 2025-2026 ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ho an’ny oniversiten’Antananarivo, nanomboka omaly ary hifarana anio ny fandraisana izany eny amin’ny Paierie générale d’Antananarivo sy ny Recette générale d’Antananarivo. Ho an’ny oniversite dimy ambiny, roa andro koa ny faharetan’ny fanefana ny vola eny amin’ny Trésorerie générale. Misy ny toromarika nalefan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa momba ny dingana arahina amin’ny fangatahana fandoavana vatsim-pianarana.
Hozaraina miandalana ny tetiandron’ny vatsim-pianarana ho an’ny ambaratonga hafa rehetra.
Ireo mpianatra tafiditra ao anatin’ny lisitra nisitraka vatsim-pianarana ho an’ny taom-pianarana 2025-2026 dia tsy maintsy manao “enrôlement” ka mila manatona ny toerana voatondro hanatanterahina izany isaky ny oniversite. Roa andro no faharetany ary nifarana omaly izany ho an’ny mpianatra M2.
Mampitombo ny taratasy karakaraina
Nanambara ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo fa mampitombo ny taratasy karakaraina indray ny nanovana ny toerana handraisana ny vatsim-pianarana satria takina ny Certificat administratif d’indentité (CAI) alaina any amin’ny distrika na ny prefektiora ireo latsaky ny 18 taona. Manana ahiahy koa izy ireo momba ny fitarainana raha tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra ireo mpianatra nangataka. Tsy fantatra mazava koa ny vatsim-pianarana horaisina miaraka amin’ny fampitaovana. Nisokatra ny volana marsa lasa teo ny taom-pianarana, nisy ireo sampam-pampianarana efa niditra mialoha ny daty voatondro, araka ny lamina manokana anatiny.
Vonjy




