INDRAY MIJERY

Nodinihana ny fandaminana vonjimaika ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Eo ny famindrana ireo fiantsonan’ny zotra fitateram-bahoaka eo Analakely, Soarano sy ny manodidina mba hampizotra ny asa fanatanterahana ny tetikasa PIAA2 sy ho fiatrehana ny vanim-potoanan’ny fety. Tanjona ny hanamorana ny fivezivezena sy hampihenana ny fitohanana.

Mitohy ny asa fanadiovana ny Lakandrano Andriantany. Teny amin’ny Tetezana Anosibe indray no nanatanterahan’ny ekipan’ny Apipa ny asa. Nesorina ireo fako sy tsikafona nanembantsembana ny fikorianan’ny rano, ho fanatsarana ny fandehan’izany sy ho fisorohana ny mety ho tondradrano amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao. Adidy iombonana ny fitandroana ny fahadiovana.

Natao tao amin’ny Tranompokonolona Analakely, ny fizarana ny toerana ho an’ireo mpivarotra teny amoron’ny Farihin’i Behoririka, izay hafindra ao amin’ny tsena vaovao. Ireo mpivarotra manana karatra niomerika ihany no hisitraka ny toerana, ka ny rihana faharoa sy fahatelo no natokana ho azy ireo. Ireo tsy tafiditra ao dia efa mitady vahaolana hafa ny CUA. ‎

Partager sur: