TSELATRA

Lehilahy efatra, malaza ratsy amin’ny fanendahana sy harom-paosy, voasambotry ny polisy, tetsy amin’ny tsenan’Anosibe, ny 27 avrily 2026 tamin’ny 9 ora maraina. Raha ny fantatra, efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika noho io asa ratsy io izy ireo. Mitondra hareza sy paingotra izy ireo mandritra ny asa ratsy ataony.

Omby 400 isa lasan’ny dahalo tany Andranolava, kaominina ambanivohitra Anovolava, distrika Mampikony, afakomaly. Olona iray tao an-toerana no maty voatifitra. Efa manao ny fanarahan-dia ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Andrasana ny tohin’ity tranga ity.

Partager sur: