Tsipy kanetibe : Ho any Nosy-Be Hell Ville ny mpandresy

Ho fampiroboroboana ny taranja tsipy kanetibe, hikarakara “Grand Tournoi” ny Ligue sport boule Analamanga (LSBA). Hotanterahina eny amin’ny Kianja Para Ivato izany, ny 14 – 17 mey ho avy izao. Natokana ho an’ireo mpiasa tsy manana kara-pilalaovana amin’ny orinasam-panjakana sy ny tsy miankina ary ny mpanao gazety izy io. Io no nambaran’­ Andrian­tsiferana Ravaka, filohan’ny LSBA, teny Ankorondrano, omaly. Misokatra ho an’ireo mpiasa rehetra manerana an’i Madagasikara ny fifaninanana. Hahazo tapakila, hitsangatsanganana any Nosy-Be Hell-Ville, ny ho mpandresy eo amin’ny olon-tokana sy ny olon-telo miaraka. Raha ny fandaharam-potoana, hanokatra ny fifaninanana, ny andron’ny alakamisy 14 mey, ny lalao ho an’ny mpanao gazety, miaraka amin’ny lalao ho an’olon-droa. Ny zoma indray ho an’olon-tokana, ary ny sabotsy sy alahady ny an’ny olon-telo miaraka. Tsiahivina fa manohana ny fifaninanana ny Yas Madagasikara sy ny tranom-piantohana Aro. Efa nisokatra nanomboka omaly ny fisoratana anarana, ary hifarana ny alahady 10 mey ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: