Avy naka vidina kafe : Lehilahy hita nifatotra tady, norobaina ny vola

Tsy nahatsiaro tena ny lehilahy iray niharan’ny fandrobana tao Ambatomanga, fokontany Beravina, kaominina ambanivohitra Soalandy, ny alakamisy 28 avrily lasa teo. Niala tao amin’ny tranon’ny mpampiasa azy io lehilahy io, ny alarobia 27 avrily teo, tamin’ny 1 ora tolakandro. Nirahina haka vola vidina kafe tany amin’ny kaominina Ampahitrosy izy, araka ny fanazavan’ny mpampiasa. Nisy lehilahy miisa roa namitaka an’io mpiasa io, araka ny angom-baovao. Efa azo ny vola vidin-kafe. Nentin’ireo olon-dratsy ireo nihazo ny faritry ny tendrombohitra Ambatomanga ilay mpiasa nirahina. Nofatoran’ireo roa lahy tamin’ny tady ity farany ka nalain’izy ireo avokoa ny vola sy ny finday teny aminy. Natsipin’ireo tsy valahara tany an-kady ilay lasibatra taorian’io. Hitan’ny mpiandry omby io lehilahy voahendaka io, tamin’ny 5 ora hariva. Nentina nihazo ny CSB II Ankadivoribe avy hatrany ilay voaroba noho ny tsy fahatsiarovany tena. Nandray an-tanana ny famotorana ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Ankadivoribe.

Tsiferana R.

Partager sur: