Fanatsarana ny fanabeazana : Tanterahina ny fakan-kevitra

Natao tamin’ity herinandro, eto Antananarivo, ity ny atrikasa fakan-kevitra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tanjona ny hanangona sy handravona fehin-kevitra ho fanatsarana ny rafi-pampianarana, hisian’ny fanavaozana eo amin’ity sehatra ity.
Mandray anjara amin’izany ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo fikambanana samihafa, ireo sendika ary ireo mpiara-miombon’antoka.
Miisa dimy ny lohahevitra hiadian-kevitra mandritra izany. Anisany ny rafi-pampianarana, ny mpampianatra, ny rafi-panombanana sy ny famerenan-taona ary ny kalitaon’ny fitantanana. Dinihina koa ny filana fampianarana sy ny fahasamihafana misy eo anivon’ny fiarahamonina.
Naharitra telo andro ny atrikasa ary ny fehin-kevitra rehetra tapaka aorian’izay no haroso eny amin’ny fikaonandoham-pirenena nasionaly.

Tatiana A

Partager sur: