Fanolanana tany Andriampamaky: Pretra iray naiditra am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja ny Pretra iray, niasa tany Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana, araka ny vaovao avy amin’ny zandary. Voalaza fa nanao herisetra ara-nofo tamin’ny tovovavy iray izy.

Notanana vonjimaika any am-ponja nanomboka ny 28 avrily teo, ilay Pretra relijiozy voasaringotra tamin’ny tranga fanolanan-jazavavy 15 taona, tao An­driam­pamaky, distri­kan’Ava­radrano. Namonjy fihatahana masina « récollection » teny Soavimbahoaka io zazavavy io sy ny namany iray, nandritra ny andron’ny sabotsy 11 avrily. Nanatona an’ilay Pretra miasa ao Andriampamaky izy roa vavy ireo satria efa hariva ny firavana. Nangataka hiantrano ao amin-dry Mompera izy mirahavavy ireo rehefa tonga ao Andriampamaky, taorian’ny toromarika nomen’ny masera nampanao ny fihatahana Masina azy ireo. Naterin’io Pretra io tao amin’ny fokontany Nanjakana, kaominina Ambohitseheno, distrikan’i Manjakandriana anefa ilay ankizivavy iray. « Nota­zominy tao amin’ny efitrano iray kosa ilay ankizivavy 15 taona », araka ny tatitra voaray teny anivon’ny zandary mpanao famotorana.  Tafave­rina avy nanatitra an’ilay ankizivavy iray io Pretra io, tamin’ny 7 ora hariva, ka niara-nisakafo tamin’ilay ankizivavy 15 taona.

Norahonana ilay lasibatra

Nentin’ilay Pretra niverina tao amin’ny efitrano fatoriana ilay ankizivavy ary nanaovany ny filan-dratsiny intelo nandritra ny alina. Naterin’io Pretra io teny akaikin’ny tanàna, tao Ambohitra, io ankizivavy 15 taona io, ny 12 avrily tamin’ny 6 ora maraina. Nitaraina ho marary fe io ankizy io, ny alatsinainy 12 avrily ary tsy tafatsangana tao am-pandriana ny ampitso. Nentin’ny ray aman-dreniny nihazo ny hopitaly tao Ambohitrakatsako avy eo. Voamarina fa niharan’ny fanolanana izy. Tetsy ankilany, mpiara-miasa amin’ny rain’io ankizivavy io ilay Pretra, araka ny angom-baovao.  Noraho­nan’ilay Pretra, noho izany, ilay ankizivavy tsy hamoaka na amin’iza na amin’iza ny zava-niseho. Esoriny amin’ny asa kosa ny rain’ity farany na ho vonoiny mihitsy aza raha toa ka mivoaka io resaka io. Notanana natao andrimaso tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Andriampamaky ilay Pretra ary natolotra ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: