Fikambanana ASOS: Nanao vaksiny miaro amin’ny Mpox

Tafiditra amin’ny Herinandro afrikanina ho an’ny fanaovam-baksiny ny hetsika nataon’ny mpanentana ara-pahasalamana ao amin’ny fikambanana ASOS. Nisitraka ny vaksiny miaro amin’ny tsimokaretina Mpox teny amin’ny sampandraharahan’ny distrikan’ny fahasalamam-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra, Isotry, tamin’ity herinandro ity, izy ireo.

“Mpiara-miasa amin’ ny fikambanana ASOS ny mpanentana eny ifotony. Mila fiarovana izy ireo satria mifampikasoka amin’ny vahoaka eny ifotony”, hoy ny tale mpanatanteraky ny fikambanana, Dr Rakotoma­lala Jean Claude. Niainga tamin’ny tranga dimy i Mada­gasikara, ny volana desambra lasa teo, 1 237 ny tranga voamarina ny alarobia lasa teo. Mila mandray fepetra manao vaksiny ny isam-batan’olona ho fiarovana azy ireo.
“305 ny tranga Mpox voamarina teto Analamanga ha­tramin’izao ary eto Antana­narivo Renivohitra, Atsimon­drano ary Avaradrano no betsaka tranga indrindra », hoy ny talem-paritry ny Fahasa­lamam-bahoaka eto Anala­manga, Rasolondraibe Hasina Nirina.
Ato anatin’ny distrikan’­ Anta­nanarivo Renivohitra, ao amin’ny boriborintany I no ahitana tranga maro ka anisany ny fokontany Isotry, 67 Ha ary Andohatapenaka. Hatra­min’­ izao, mazoto ny olona manao vaksiny miaro amin’ny Mpox ho an’Analamanga. Maha­tratra 3 000 mahery ireo efa vita vaksiny. Mampiasa paikady maromaro ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fanaovam-baksiny: mandeha amin’ ny orinasa sy ny minisitera. Tsy vitsy koa ireo vonona manatona ny tobim-pahasalamana.
Nambarany koa fa vaksiny mahomby amin’ny fiarovana ny Mpox no atsindrona. Mety mafanafana na mangidihidy ny faritra nanaovana ny vaksiny fa tsy misy ny mampanahy. Voaaro tanteraka ny olona mahavita ny fatra roa izay mielanelana iray volana. Ireo nifandray tamin’ny olona nisehoan’ny trangan’aretina Mpox sy ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/ sida (ambany ny hery fiarovany) ary ireo mpampanofa vatana (tsy hamindra amin’ny mpanjifa) no mila manatona ny tobim-pahasalamana manao io vaksiny io. Azon’ny olona rehetra mihoatra ny 12 taona atao koa nefa izany.

Vonjy

Partager sur: