INDRAY MIJERY

Namangy ny Dren Atsinanana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Nanohana sy nanara-maso ny fanarenana ireo fotodrafitrasa an-tsekoly rava taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny tenany. Sekoly maromaro ao amin’ny Cisco Toamasina I sy II no voatsidika tamin’izany.

Sekoly efatra ao amin’ny Cisco Antsirabe I sy II no nisitraka fotodrafitrasa vaovao ka notokanana tamin’ity herinandro ity. Tafiditra ao anatin’izany ny EPP Tsivatrinikamo, EPP Fiadanana, CEG Tsiafahy ary ny CEG Andranomanelatra. Horaisina ho mpiasam-panjakana raikitra ireo mpampianatra Fram miisa 18 miasa amin’ireo sekoly voakasika ireo.

Hamakivaky ny tanànan’Antananarivo ny hetsika “Roadshow”, iarahana amin’ny Club Runmada. Tsy hisy ny lalana tapaka raha ny fanamarihan’ny CUA. Handalo eny Andraharo, Ankazomanga, Ankoron­drano, Ivandry, Ankadifotsy…. Hatreny Andohatape­naka ireo olona manatanteraka ny hetsika.

Partager sur: