VAOVAO TAMBATRA

Mihen-danja indray ny Ariary miohatra amin’ny euro. Tafakatra 4 811 Ar ny euro iray, ny alakamisy 29 avrily teo, raha 4 731 Ar izany tamin’ny iray volana lasa, ny 30 marsa 2026. Izany hoe, nisy elanelana 100 Ar eo ho eo. Marindrano tsy nihetsika kosa ny vola dolara, izay misanda 4 135 Ar nanomboka ny 8 avrily, ary 4 145 Ar ny 29 avrily. Izany hoe, 10 Ar ny elanelana tao anatin’ny telo herinandro.

Mitentina 501 tapitrsia euros na 2 500 miliara Ar ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Vondrona eoropeana (UE), iarahana amin’i Frantsa sy Alemaina. Miisa 80 ny tetikasa voarakitr’io vola io, ao anatin’ilay antsoina hoe « Pacte Vert », entina hanohanana ny ta­pany atsimon’ny Nosy. Anisan’ny seha-pihariana hotohanana amin’ity tetikasa ity ny lafiny fambolena sy ny indostria. Tanjona ny hamoronana asa ho an’ny mponina any atsimo.

Nanomboka ny 29 avrily teo ny fandoavana ny vatsim-pianarana teny amin’ny foiben’ny Tahirimbolam-panjakana. Nisantatra nandray izany ny mpianatra manomana ny « doctorat ». Eny amin’ny Tré­sorerie générale an’ny renivohi-paritany ny toerana fandoavana azy. Eny amin’ny Paierie générale sy ny Recette générale (PGA/RGA) kosa ho an’ny eto Antananarivo.

Partager sur: