AGOA : Hatsangana ny tondro­zotram-piaraha-miasa

Rafitra iray mampifamatotra antsika amin’ny Amerikana ny African Growth and Opportunity Act (Agoa). Antony mahatonga ny fanjakana mamolavola ny paikady amin’ny fanavaozana izany. Tanjona ny hahafahan’i Madagasikara mitazona ny tsenam-barotra amerikana izay miantoka ny seha-pihariana toy ny lamba. Nisy ny dinika stratejika natao teny amin’ny CCIA Antaninarenina niarahan’ireo mpisehatra hanokafana ny fikaonandoha. Voaresaka manokana ny asa iombonana hifandraisan’i Madagasikara sy Etazonia. Vokatra andrasana ny fanavaozana sy hanamafisana ny rafitra Agoa. Eo ihany koa ny hametrahana tondrozotra mazava sy azo tanterahina ary hanamafisana ny paikady ho an’ny tombontsoa iombonana. Marihina fa manana toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena malagasy ny Agoa noho izy mampidi-bola betsaka amin’ny fanjakana. Miantoka ihany koa ny fampananan’asa ho an’ny Malagasy ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny harin-karena. Mbola ny Amerikana rahateo no mbola lohalaharana mandray ny lamba vita avy eto amintsika. Tsiahivina fa hifarana ny 31 desambra 2026 ny hisitrahantsika tsenan’ny Agoa.

Henintsoa

Partager sur: