Fanelezana vaovao diso : “Manohitohina ny filaminam-bahoaka”, hoy ny polisim-pirenena

Nomarihina omaly ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. “Mpiray ombon’antoka amin’ny fitandroam-pilaminana ny mpanao gazety”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur Général de Police Erick Michel .

Nitondra ny heviny sy nizara ny traikefany ma­hakasika ny asa fanaovan-gazety ny polism-pirenena. Tafiditra tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny fahalalahan’ity asa ity izany. Nison­gadina tamin’ny fanambaran’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Gé­néral de Police Erick Michel fa mpiara-miombon’antoka feno amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fametrahana fandriampahalemana ny mpanao gazety.
Voarara sy voasazin’ny lalàna rahateo ny fanelezana vaovao diso ka manohintohina ny filaminam-bahoaka.
Manamarika ny andininy faha-30 ao amin’ny lalàna laharana faha-2016-029 mom­ba ny fanapariahana vaovao fa mahavoasazy ny famokarana sy fanelezana vaovao diso na iniana nodisoina hanakorontanana ny filaminam-bahoaka. Ny lalàna mifehy ny heloka ana habaka laharana faha-2014-006 tamin’ny 19/06/2014 izay manasazy ny fanalam-baraka na filazana vaovao tsy marina momba ny olona iray.

Ny olon-drehetra
Tsy ny mpanao gazety ihany no mila mahafehy ilay lalàna, araka ny nambarany. Mila mahafehy izany ny olon-drehetra, indrindra ny mpampiasa ny tambajotran-tserasera. Misongadina amin’izao fotoana izao ny hazakazaka, maika hamoaka vaovao amin’ny pejy sy kaonty eny amin’ny Facebook. Efa miely ny vaovao diso vao mivoaka ny tena marina.
Manolona izay, manao ezaka ny polisim-pirenena amin’ny fampahafantarana sy ny fanajana ny lalàna mba hisorohana ny fanakorontanana sy hitandroana hatrany ny filaminana eto amin’ny firenena.
Anisan’ny manana anjara toerana lehibe amin’izany ny mpanao gazety, tena matihanina. Ireto farany izay tokony efa mahafehy sy mahafantatra ny lalàna rahateo.

Vonjy

Partager sur: