Hotanterahina any Kenya, Ouganda, Tanzanie, ny 19 jona hatramin’ny 17 jolay 2027 ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny Can 2027. 19 mey ho avy izao kosa, ny antsapaka hahafantarana ny ekipa mpiray vondroka. Anisan’izany ny Barean’i Madagasikara.
Nivoaka ny fanambaran’ ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF)
mahakasika ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika, amin’ny taona ho avy. Niranty tao amin’ny tambajotran-tseraserany afakomaly fa hotanterahina any Kenya, Ouganda, Tanzanie ny CAN 2027. Hotanterahina ny 19 jona hatramin’ny 17 jolay 2027 izany. Hatao ny 19 mey ho avy izao kosa ny antsapaka ho an’ny isam-bondrona. Ho fantatra mandritra izany ny ho mpifandrina amin’i Barean’i Madagasikara.
Marihina fa miisa 48 ny firenena tafita hifanintsana, hiady ny tapakila hiatrehana ny Can 2027 . Hizara vondrona 12, ahitana ekipa efatra avy izy ireo. Manana herijika ny Malagasy amin’ity indray mitoraka ity, miatrika ny CAN avy hatrany ny firenena roa voalohany. Manana fotoana tsara hahafahana manomana ny mpilalao rahatei ny mpanazatra ny ekipa nasionaly malagasy, i Corentin Martins.
Raha ny fikarohana natao, hotanterahina ny 21 septambra hatramin’ny 6 oktobra 2026, ny andro voalohany sy faharoa ny fifanintsanana. Hotontosaina ny 9 hatramin’ny 17 novambra ny andro fahatelo sy fahefatra. Ny 22 hatramin’ny 30 marsa, ny andro fahadimy sy fahaenina.
Fanomanana sy kianja…
Efa-bolana ny fe-potoana, hanomanan’ny tomponandraikitra Malagasy ny mpilalao sy ny kianja handraisana ny fihaonana mandritra ny fifanintsanana. Raha tsy misy ny fiovana farany, hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny volana jona ho avy izao ny Barea. Maharitra enim-bolana ny hikarakarana ny bozaka an’ny Kianja Barea, araka ny filazan’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Rasambany Alain Désiré.
Ny fitondram-panjakana izay mitady ny fankatoavana maharitra avy amin’ny Kaonfederasiona Afrikanina baolina kitra (Caf). Ny taona 2019 no nandray anjara tamin’ny Can farany sady voalohany, ny Malagasy.
Fitia Randria




